Vavolombelon'ny nenina

Kemyrah

0 fans

Kemyrah


4:21
#1

 Watch: New Singing Lesson Videos Can Make Anyone A Great Singer

Tsarovy hatrany e, f'ianao io nge mandalo
Amin'ity fiainana, jereo anie fa toa be fahavalo
Ny haka ny eny am-pelatananao no masaka an-tsainy e
Ny hoavinao simbasimbainy e, ny handrosoa ialahy toa malaina
Very ialahy raha manao fahavalo ny fianarana
Jereo ny akaman'ialahy rehetra tsy havanana
Reny no arahin'ialahy etsy sy eroa... 
Ra zah ialahy ry zandry miheritreritra aloha
Satria ialahy tsy hoe miaina indroa ann
Aza avela hiteny na indray mandeha akory ny nenina
Henoy hatrany anatry ny Ray aman-dreny sao hanenina
Fadio ny mampijaly ny ao am-bovo 
Marina fa ialahy anie zatovo, ndehana aloha ny fianaran'ialahy aloha ratovy
Zah anie hoy aho zoky mahalala ny tsara sy ny ratsy anie zandry
Teneniko anlah tsy mitondra ho aiza ny sandry
Raha tratran'ny fahavalo ialahy dia mampamangy
Raisiny ny lohany dia alainy ny vangy
Tadidio ialahy tsy tompon'ny ampitso, amin'ny fiainana ialahy mila mahalala diso
Ny lalana safidio tsy ho any amin'ny kizo, tandremo fotsiny sao lasa Lemizo

Haiko ialahy anie fa tanora te hanaraka ny rendrarendra
Tadidio fa mandeha ny ora ny fiainana tsy sendrasendra
Tadidio fa ny ataonao amin'izao ihany, no miandry anao any
Izaho tsy te ho Vavolombelon'ny nenin'ialahy
Tsy mahafaty ny manaja ny Ray aman-drenin'ialahy
Ny ditra anie io mamy amin'izao ihany e, ny rano sy ny ala io tsy mety lany e
Fa ny lalan'ialahy mizotra mankaiza,
Izaho kosa tsy mino hoe ialahy no ratsy taiza

Mbola mamy be aloha izao ny ditra
Ny toaka, ny sôra sy ilay mingitrika mibosy
Ny hagegena maro tsy voatanisa, mampanenina io rehefa tsy misy ny ao am-pôsy
Mety hoe mamy be ilay fiarahanareo, dia satry foana ny tsy hisaraka
Nefa resaka sipa lesy ry zandry tsy andaozana fianarana
Ilaina ny mahita ny fahitan'ny tanora, 
Ny tsara sy ny ratsy ianao mila mahalala
Amin'ny fahendrena ihany hoy aho ialahy no milona
Tsy hoe hifoka moly aho dia avy eo lasa adala
Ny akama eny, ny akama eny akama eny foana
Tadidio fa vitsy azo atokisana
Mbola ireny no manary an'ialahy fa ialahy aza miandry ny anjara sy vintana
Zah miteny fa tsisy afa tsy ny cahier sy penina ihany no afaka ny hanavotra an'ialahy
Amin'ity fiaianana feno sangodim-panina, manana ialahy lamina, mbola be ireo sahanina
Tandremi ialahy tafiditra lalina

Haiko ialahy anie fa tanora te hanaraka ny rendrarendra
Tadidio fa mandeha ny ora ny fiainana tsy sendrasendra
Tadidio fa ny ataonao amin'izao ihany, no miandry anao any
Izaho tsy te ho Vavolombelon'ny nenin'ialahy
Tsy mahafaty ny manaja ny Ray aman-drenin'ialahy
Ny ditra anie io mamy amin'izao ihany e, ny rano sy ny ala io tsy mety lany e
Fa ny lalan'ialahy mizotra mankaiza,
Izaho kosa tsy mino hoe ialahy no ratsy taiza

Tsy hoe zandry ialahy dia mila miteny ratsy 
Tsy hoe jiohilam-boto ialahy dia miavaka
Tsisy tsara ankoatra ny hoe zaza hendry, tsis tsara ankoatra ny hoe mivavaka
Aleo mampitomany Ray aman-dreny satria hoe tafita ny zanany
Toa izay hampitomany an'izy ireny satria hoe rendrika daholo ny taranany

 Become A Better Singer In Only 30 Days, With Easy Video Lessons!

Written by: Andrianiaina Tahiana

Lyrics © DistroKid

Lyrics Licensed & Provided by LyricFind

Discuss the Vavolombelon'ny nenina Lyrics with the community:

0 Comments

    Citation

    Use the citation below to add these lyrics to your bibliography:

    Style:MLAChicagoAPA

    "Vavolombelon'ny nenina Lyrics." Lyrics.com. STANDS4 LLC, 2024. Web. 29 Apr. 2024. <https://www.lyrics.com/lyric-lf/4490074/Kemyrah/Vavolombelon%27ny+nenina>.

    Missing lyrics by Kemyrah?

    Know any other songs by Kemyrah? Don't keep it to yourself!

    Watch the song video

    Vavolombelon'ny nenina

    10,838
    109     2

    Browse Lyrics.com

    Quiz

    Are you a music master?

    »
    Which of these songs did Taylor Swift NOT sing?
    A I Knew You Were Trouble
    B Hot 'N Cold
    C Teardrops On My Guitar
    D Love Story

    Free, no signup required:

    Add to Chrome

    Get instant explanation for any lyrics that hits you anywhere on the web!

    Free, no signup required:

    Add to Firefox

    Get instant explanation for any acronym or abbreviation that hits you anywhere on the web!

    Kemyrah tracks

    On Radio Right Now

    Loading...

    Powered by OnRad.io


    Think you know music? Test your MusicIQ here!